Omeo Lanja ny Miralenta MBL

 

Miralenta sy politika… politika sy miralenta… Amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao dia mitombona tanteraka ny hiresahana ireo lohahevitra roa ireo. Anton’izany ny fifanoheran’ny hamaihan’ny fandraisana fepetra manarina ny tsy fitovian’ny lehilahy sy vehivavy eto Madagasikara amin’ny hamafin’ny fanoheran’ny olona sy mpitondra sasany amin’ny firotsahan’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika. Hatramin’izao tokoa mantsy, dia ny vehivavy no tena iharan’ny fitongilanana misy eo amin’ny fiarahamonina. Amin’ny fomba mitondra fanazavana kokoa noho ny teny filamatra tsotra, saingy mahafinaritra vakiana raha oharina amin’ny lahatsoratra an-gazety, andao hanandrana hiresaka izany an-tononkalo androany…

 

Omeo lanja ny miralenta

Zo an’ny vehivavy…manandanja ilay teny

Aza gaga raha lehilahy no miteny

“Miralenta”mbola manantena

Tsy fitoviana mianjady mbola manaintaina

Zavamisy:aty malagasy

40 isanjato tsy mahay taratasy

…Velona ny lakolosy

Fa mbola vitsy koa ny vehivavy mandeha lakilasy

Tsy nandalo garabola

5 taona dia efa alefa hitady vola

Anaty fiainana voadona

Mitsoaka ny zaza amam-behivavy fa

Manafika ny jiolahy!!

Aza varina mampiady isambato

Fampielezan-kevitra zato isanjato

Miralenta efa ato an-tsaiko ato

Rehefa ataotsika ito dia atao tsy ankiato

 

Ho anao hilatsaka hofidiana

“Omeo lanja ny miralenta”

Tsinjovy ilay fitoviana

“Omeo lanja ny miralenta”

Ary ianao andeha hifidy

“Izay mivoy ilay miralenta”

Ho tsara fiantefa ilay safidy

Fidio izay mivoy ilay miralenta

Fanaka malemy hoy ianao

Fijery raikitapisaka io hialao

Isika mila manana fijery vaovao

Fitovian’ny zon’n’y lahy sy vavy… aza atao ankilabao

Na amin’ny sehatry ny asa io

Na anaty seha-pitondrana hafa io

Izay tia hiezaka dia ampio

Fiaraha-monina mavitrika sy madio

Anaty sehatry ny fahasalamana

Fidirambola sy fandraisa-karama

Fitantanana ara-panjakana

Aleo hitovy ny zoan’i ramose sy madama

Publicités
par cnfmadagascar Posté dans accueil

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s