Ny mampiray ny feon’ny vehivavy solombavam-bahoaka

 

209 ireo vehivavy loha lisitra milatsaka hofidiana solombavambahoaka eto Madagasikara. Na avy amin’ny antoko samy hafa aza izy ireo, dia niray feo tanteraka  hiarovana ny rariny eto amin’ny tanindrazana…

Fanambaràna natao ny 17 Desambra 2013:

Ny tahan’isa 50% ho an’ny vehivavy dia hitondrana ny feon’ny vehivavy sy lehilahy eo ami’ny Antenimierampirenena. Ho jerena amin’izany ny fanatsarana ny fitoviana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny lafi-pampandrosoana rehetra eny ifotony na eo amin’ny fandraisana anjara na eo amin’ny fahafahana mandray tombontsoa amin’izany.

Noho izany, izahay vehivavy dia miray feo sy fomba fijery, ka n’inon’inona antoko misy anay, rehefa  ho lany solombavambahoaka dia :

Hiaraka handà ny lalàna izay misy na mety hiteraka tsy fitoviana eo amin’ny vehivavy sy lehilahy;

Hiaraka hanitsy ny lalàna mba hisy ny fitoviana eo amin’ny vehivavy sy lehilahy;

Hiaraka hankato ny lalàna izay misy na mety hiteraka fitoviana eo amin’ny vehivavy sy lehilahy;

Hiezaka koa izahay hanara-maso ny politikam-panjakana mba hiadiana amin’ny endrim-panavakavahana rehetra mianjady amin’ny vehivavy ary koa ny lehilahy.

Publicités
par cnfmadagascar Posté dans accueil

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s